<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>215</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny teny masina sy to
 Nampilazainao, Tompo ô !
 No manan-kery mahavoa
 Ny fahavalonao tokoa,
 Ka dia itokianay
 Na aiza no alehanay.

[V2]
 Mitaona ny fanahinay
 Ny teninao, Mpanavotray,
 Mananatra sy manambara
 Ny ratsy ary koa ny tsara ;
 Mpilaza mahafatra-po
 Ny teninao ry Tompo ô !

[V3]
 Ny teninao no sabatray
 Sy mpampionona anay ;
 Ny teninao no mofon'aina
 Sy mpanazava fo sy saina ;
 Mpiaro sady tanjakay
 Ny teninao, ry Tomponay !

[V4]
 Ampinganay ny teninao
 Ao amin'izao tontolo izao,
 Ka raha levona ny tany,
 Ny teny mbola ao ihany,
 Dia izy iankinanay
 Ho antoky ny avotray.</lyrics>
<title>Ny teny masina sy to FFPM215</title>
<author>Pilgrim's Song</author>
</song>